<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Mangataka aminao ny olonao, ry Tompo FFPM284</title>
<lyrics>[V1]
 Mangataka aminao ny olonao
 ry Tompo !
 Mba hitahianao ny havan-
 tianay
 Izay atokanay hitondra sy
 hanompo
 Ny Fiangonanao, henoy ny
 vavakay.

[V2]
 Tafio ny hery fa tsy mahefa
 irery,
 Fenoy ny hevitrao ho toy ny
 zanakao.
 Mpitady ny mania, mpikaroka
 ny very.
 Hitondra ireo ho tia ny
 valan'ondrinao.

[V3]
 Ny sainy hazavao hahazo
 fahendrena
 Hahay hitondra izao vahoaka
 be izao.
 Ampianaro koa mba tsy
 hatoky tena,
 Tolory saina soa hiankina
 aminao.

[V4]
 Raha ory, aza afoy, tohàno sy
 onòny;
 Marary, mba tsaboy ;
 mahantra, mba jereo ;
 Apetraka aminao ny ainy sy
 ny fony ;
 Ka mba tsinjovinao, arovy sy
 vonjeo.</lyrics>
<hymn_number>284</hymn_number>
<author>A. Bost</author>
</song>